samedi 21 juillet 2012

Biriky iray fotsiny amin’ny famahana krizy ny fihaoanan-dRavalomanana sy Rajoelina fa aza dia omena lanja be diso tafahoatra!



Na inona na inona ny vokatr'io fihaonana io dia tsy misy fiantraikany amin'ny làlana hivoahana amin'ny krizy izany: mitohy ny fanaovana izay hanatanerahana ny tondrozotra hahatongavana amin'ny fifidianana amin'ny 2013 araky ny kalendrie zay havoakan'ny CENIT ny ny firenena mikambana tsy ho ela.
Tsy ny filatsahana na ny tsy filatsahan'izy 2 lahy no mampikatso ny tondrozotra fa ny fodian'I Ravalomanana sy ny voasesy tany rehetra izay voalaza mazava ao anaty tondrozotra. Lalana hamahana io olana io no antony ihaonan'izy 2 lahy ary ao anatin' ny "cadre"-ny fanatanterahana ny tondrozotra izany.
Raha sanatria moa ka mandamoka ny fihaonan'izy 2 lahy, izany hoe mbola misakana ny tsy fanatanterahana ny artikla 20-n'ny tondrozotra Rajoelina dia andraikitry ny Komity mpanaramaso ny fanatanterahana ny tondrozotra tarihin'ny Pastora Peri Rasolondraibe ny mandray ny fepetra miaraka amin'ny SADC. Aoka samy handray ny andraikiny ny ankolafy tsirairay indrindra fa ny ankolafy Rajoelina sy ankolafy Ravalomanana ka tsy ho entin'ny fo mafàna ka hirintona handray fanapahan-kevitra izay handrava ny efa tanteraka amin'ny tondrozotra toy ny fialàna tao amin'ny andrim-panjakan'ny tetezamita na ny fandroahana ankolafy iray tao.
Raha lazaina mivantana dia izao: raha i Ravalomanana no tondroin'ny Komity mpanaramaso ny fanatanterahana ny tondrozotra sy ny Sadc fa vato misakana amin'ny fanatanterahana ny tondrozotra dia antsoina ny ankolafy Ravalomanana mba hanaiky izay ho sazy homen'ny Comunauté internationale an-dRavalomanana. Ary raha Rajoelina kosa no vato misakana dia aoka ny ankolafy Rajoelina handroso tsy misy an-Rajoelina ka hanaiky izay sazy raisin'ny Communauté internationale momba azy. Eto no hahitàna raha tena ny tombotsoa ambonin'ny firenena marina no lolohavin'ireto ankolafy ireto fa tsy ny tombotsoa ambonin'i Ravalomanana na Rajoelina.
Aoka koa ny Praiminisitra hanao ny asany dia ny fiarovana ireo zavabita ireo ka tsy hampihemotra intsony ity fifidianana amin'ny taona 2013 ity. Hiady hatramin'ny farany tsy hivoahan'ny ankolafy avy ao amin'ny andrimpanjakan'ny tetezamita ka tsy hanaiky na fametraha-pialàna na fandroahana. Izay no atom-pisiany voalohany ka raha izay no tsy vitany dia naman'ny manala tena izy.
Ny parlementera dia tokony hanao ao an-tsaina lalandava fa ny fomba tokony ho fiasany dia tsy izay lanin'ny maro an'isa fa izay eken'ny rehetra (izany hoe ny marimaritra iraisana). Eo no ahitàna raha mbola mitàna marina ny fahendrena Malagasy izy ireo. Ekeko fa tsy ho sarotra aminy ny manaiky izany satria fantany fa tsy olomboafidy izireo fa olomboatendry noho izany ny mahamaro an'isa azy ao dia fifanarahana fa tsy taratra velivelin'ny maro an'isa amin'ny Malagasy.
Aoka ireo tomponanadraikitra isantsokajiny ireo hanokana ny herin'ny manontolo amin'ny fanatanterahana ireo andininy samihafa manontolo ao amin'ny tondrozotra.

1) Ny CENIT hanome miaraka amin'ny firenena mikambana ny datin'ny fifidianana

2) Ny Komity mpanaramaso ny fanatanterahana ny tondrozotra miaraka amin'ny biraon'ny SADC eto Madagasikara hanao ny kalendrien'ny fanatanterahana ny andininy tsirairay ao amin'ny tondrozotra hahatongavana amin'izany fifidianana izany amin'ny fotoana voatondro etsy ambony. Tsy maintsy mametraka daty tsy azo ihoarana izy amin'izany. Singanina manokana amin'izany ny fandrindrana ny fanalàna ireo zay kandidà tsy ho ao antin'ny fitondràna tetezamita. Raha tsy ifanarahana dieny izao dia mety ho olana goavana io.

3) Ny governemanta sy ny parlemanta ary ny CENIT manatanteraka na/sy manao ny lalàna mifandrindra amin'io kalendrie io.

Mazotoa sy mahereza

Aucun commentaire: