mercredi 22 août 2012

ASA FA TSY KABARY

Vita iny ny fivorian'ny SADC, ela nitadiavana andraikitra isika Malagasy
ka io ary raiso fa tapi-dala-kaleha amin'ny fampifanatonana azy 2 lahy rizareo.

Efa misy ny « andri-panjakan'ny Tetezamita » miandraikitra izany dia ny Komitin'ny fizohina sy fanaraha-maso (CSC)
fa tsy andeha indray isika handany andro hanao fihaonambe nasionaly etsy sy eroa na fihaonana am-tampony miaraka aminireo tsy mahatapak'ahitra intsony.

Tomponandraikitra amin'ny fizohina (SUIVI) sy fanarahamaso (CONTROLE) ny fanatanterahana ny tondrozotra ny CSC tarihin'ny Dr Peri RASOLONDRAIBE izay hiara-miasa akaiky amin'ny SADC-Madagascar ka anjarany ny mampihaona ireo ankolafy hitady vahaolana.

Ny asa maika miandry ny CSC ary dia ny fampiharana ny artikla 20/45. Raharaha sarotra io ka ilàna ny fahaiza-mandresy lahatra ananan'ny Docteur Peri RASOLONDRAIBE sy fanolorana marimaritra iraisana ho eken'ny roa tonta. Izao ny zava-misy:

  1. Tsy maintsy mahita marimaritra iraisana hanatanterahana ireo artikla ireo
    raha tsy izany dia tsy ho eken'izao tontolo izao ho marina sy mangarahara ny fifidianana amin'ny 8 may 2013, ary manginy fotsiny ny tsy hisian'ny fanampiana iraisam-pirenena satria tsy hahazo fankatoavana
  2. Toa tsy manaiky mihitsy ny hilatsahan'ny Filoha Ravalomanana ingahy Rajoelina. Izany hoe raha itarina kely (tsy zava-misy ity fa fanitarana) dia toa ho azony ekena ny fodian-dRavalomanana sy ny fanajanonana ny fanenjehana azy raha manaiky tsy hilatsaka izy
  3. Tahotra ny valifaty avy amin-dRavalo no tena mahatonga ny Tafika (sy ireo mpanao politika sasany) manosika an-dRajoelina tsy hanaiky ny hiverenan-dRavalo. Anisan'ny matahotra koa Rajoelina satria fantany fa raha miy fitsarana tsy mitongilana dia mety tsy ho afa-maina izy amin'ireny raharaha 2009 nampisy faty olona ireny. Raha itarina indray ary dia toa mety hanaiky ihany ny hiverenan-dRavalomanana rizareo raha azony antoka fa tsy hisy fanagadràna aoriana
  4. Manana fahefana hanondro izay sakana amin'ny fanatanterahana ny tondrozotra ny Komity mpanaramaso ny fanatanterahana ny tondrozotra ka kibay (baton) azony hampiasaina izany amin'ny fitadiavam-bahaolana.

Raiso ary ny andraikitrareo ry CSC
ka aza mitandro hasasarana ianareo hikatsaka ny vahaolana hanatanterahana ny Tondrozotra mba ho fifidianana marina sy mangarahara eken'ny rehetra ny fifidianana amin'ny 8 may
ka hampiverina indray ny fahatokisan'ny Malagasy sy ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ka hahazoantsika miatrika ny fampandrosoana.

Aoka hametraka ny fahatokiantsika tanteraka ny CSC isika ka hiandry toy fiandrasantsika ny fiafaran'ny fihaonana nifandimby tany amin'ny renivohitra Afrikana (Maputo, Gaborone, Mahe sns.) ny daty homen'ny CSC hilazany ny vokatry ny asany.

Marihina fa mbola maro ireo asa miandry ny CSC
izay maika ihany koa ka tsongaina amin'izany:

  1. Famoahana ny gadra politika rehetra sy fampitsaharana ny fanenjehana mamofompofona antony politika
  2. Fanokafana ny haino aman-jery ho an'ny rehetra (tsetratsetra tsy aritra: na ny any Birmanie aza efa nanajanona ny "censure", vaovao anio 20/08/2012)
  3. Fanomanana ny didy fampiharana ny fialan'ireo zay hilatsaka ho fidiana mba tsy hisian'ny olana indray rehefa tonga ny fotoana


 


 


 

Aucun commentaire: