samedi 18 février 2012

Mahereza, mahareta fa efa an-dalàna ny famerenana ny ara-dalàna…


Aza dia manambany tena isika fa iaraha-mahita fa manomboka mody ventiny ny rano natsakaina, mandroso ny fanatanterahana ny sori-dàlana na dia tsy mandeha haingana araky ny faniriantsika aza. Antananarivo tsy vita indray andro.
Jereo anie ny dingana vita: mijoro ny governemanta, ny CT, ny CST. Mientana ny fo rehefa mahita ireo mpitolona teny amin'ny Magro mipetraka eo @ latabatry ny fivorian'ny Minisitra na ny antenimiera: itsy I Hanta Randriamandranto, niatrika irery ny fiainana fa Rangahy nogadrain-dRajoelina, izaroa i Olga Ramalason, nataon-drizareo hazalambo tao Antsirabe fa tsy azony nohon'ny fiarovan'ny vahoaka, inona ny tsy natao an'i Mamy Rakotoarivelo, iny koa Manadafy noviravirain'ny FIS toy ny jiolahy, i Constant Raveloson nisitri-belona nandritry ny volana maro, Ramatoa Mpisolovava izato misalotra ny lamban'ny Filoha lefitra, i Zafilahy mpanentana ikoizana tao amin'ny Magro koa toy izany  sns.
Eo am-pananganana ny CENI isika izao. Refeso anie ny fandrosoan'ny demokrasia na dia manao zay haminganana izany aza ny FAT: ny mpanao gazety nandà tsy nanaiky hoterena hifidy maimaika zay solontenany, ny administrateurs mifidy ny solontenany malalaka , ny fitsaràna hanao ny azy, ny fiaraha-monim-pirenena sns. Ka isika mpanao politika anateran-kira indray ve no hilaza tsy mahay. Mirosoa isika, ny fidirana amin'io CENI io no ahafahantsika manaramaso ny fifidianana ho avy.
Ohatra hafa ny fijoroan'ny mpitsara tsy hanaiky lembenana amin'ny famonoan'olona nataon'ireo polisy sasantsasany teo ambany mason'ny Minisitry ny filaminana anaty (satria tany Toliary izy tamin'io andro io). Mba velom-panantenana sy faly anakampo ny tena nijery ny vaovao TVPlus omaly mahita an-dRajoelina voatery miara-miasa amin'ny PM amin'ny famahana ny olana. Niova ny feo, tsy sahy mitratrevatreva intsony. Lavitry ny avonavona 2 volana lasa.
Ekena e! Feno ny fahafahampo raha mba efa teo afovoantsika ireo gadra politika afaka sy ny voasesi-tany ka voalohany amin'izany ny filoha Ravalomanana mivady. Aoka haharitra fa izany no iadian'ireo solontenantsika ao amin'ny tetezamita sy ny iadiantsika vahoaka marobe miandry izany.
Aoka tsy ho diso hevitra isika fa tsy ny fialantsika amin'ny tetezamita no hahafaka ny gadra politika sy hatafody ny voasesi-tany. Ny fanohanantsika ny PM Omer Beriziky tsy hanaiky hotsindrian-dRajoelina no hahatongavantsika amin'izany. Efa nandramantsika ny amboletra tamin'ny naha Co-Président an'i Fetison: 2 taona taty aoriana (fa tsy 5 volana akory hoatry ny takian-dRazily amin'I OB) aiza ho aiza isika? Nandramana ny miandry vonona, miandry tondrozotra tonga dia mamaha ny olana tsy mila miady niaraka tamin'ny PM Eugène Mangalaza: maty ankaranany.
Tsy misy vahaolana "miracle" ny krizy, tsy azo atao amboletra koa satria ny ankilany tsy hanaiky. Ny làlana izorantsika amin'izao no làlana mivoaka ny krizy. Mbola mila herimpo be anefa fa ny làlana mbola ho lava mandra-pahatonga any amin'ny fifidianana
hamerenana ny ara-dalàna eto amin'ny firenena. Heveriko fa ny PM no afaka hitarika antsika hankany nohon'ny traikefa ananany momba ny diplomasia sy ny fanohanan'ny Communautés internationales azy.

Mahereza, mahareta, miadia ny ady tsara fandrosoana mankany amin'ny demokrasia fa aza miherikerika intsony.

 


 

2 commentaires:

BOANA a dit…

"Aza misioka raha tsy efa tafavoaka ny ala". Marina fa efa tafiditra ao anatin'ny rafitry ny Tetezamita ny ankolafy Ravalomanana, fa hono ho' aho, an-kitsim-po ve ny fiaraha-miasa ? Manaiky ny hiverenan'ny Filoha Marc Ravalomanana ve ny Filohan'ny F.A.T. ? Manaiky ny famphavanana ve io Filohan'ny F.A.T. io ary mba mitaiza ny "mpiara-mitolona" aminy hibanjina ny "fampihavanana" mba ho enti-manomana ny ho avy ve io Filohan'ny F.A.T. io ? Ary tsy izy irery ihany fa ny vondrona mpmba ny Filohan'ny F.A.T. koa toa ny UDR-C, Les As, sns. Ko aza faly volony fotsiny fa atreho ny tolona izay mbola mihamafy kokoa !

Tsarovy fa "tetipanorona" (stratégie) ara-politika no aneken-dRajoelina ny fidiran'ny ankolafy telo ao amin'ny Tetezamita : ny hahazoany "fankatoavana" amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena, IZAY FOTSINY ! Rehefa azony mantsy io dia HANAO IZAY TIANY HATAO IZY, ka ny laharam-pahamehany dia izao TSY MAINTSY HO VOAFIDY HO FLOHAM-PIRENENA IZY, koa mba tsy hahaesy azy dia TSY ILAIN-DRAJOELINA NY HIFANINANA AMIN'NY FILOHA RAVALOMANANA satria fantany fa HO RESY LAVITRA DIA LAVITRA IZY RAHA IZAY !

Koa tsy mbola misioka isika raha tsy tafaverina aloha, fara faharatsiny ny Filoha Ravalomanana !

Zandrygasy a dit…

Tsy misy olona hanome antsika maimaimpoana ireo zavatra marina sy mitombina takianao ireo fa ady ny fahazoana ireo. Ary dia izany no tokony hanohanantsika ireo solontenantsika ao anatin'ny rafitra tetezamita. Eny fa na dia hiafara amin'ny fahalanian'ny olonkafa ho filoha aza izao làlana izao dia aleo lavitra izay satria alo olom-boafidy toy izay olom-boatendry